Analanjirofo : Norarana tsy hihinana ilay fatin-trozona ny mponina
26 Aogositra, 15h15 Zanaka trozona efa maty no hitan’ny mponina tao amin’ny moron-dranomasinan’I Rantohely, distrikan’i Maroantsetra ny talata lasa teo. Noraran’ny zandary tao an-toerana ireo mponina tsy hihinana izany hisorohana ny aretina sy ny loza mety haterak’izany na dia efa ampahany tamin’ny henan’ny fatin’ity trozona aza no tavela tao an-toerana. Efa fahatelo nahitana fatina zana-trozona moa izao ity niseho ity taorian’i Taolagnaro sy Morondava.
