Mali : Niala tao amin’ny G5 Sahel
Nanao fanambarana i Mali fa hiala ao amin’ny G5 Sahel miaraka amin’ny tafikany miady amin’ny « djihadiste ». Antony ny fikomiany manoloana ny fandavana azy tsy hiantoka ny fiadidiana io fikambanam-paritra misy an’i Mauritanie, Tchad, Burkina ary Niger io.Rafitra andrim-panjakana misahana ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny fiaraha-miasa isam-paritra eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy fiarovana ny G5 Sahel. Ny 15 hatramin’ny 17 febroary 2014 izy no niforona ary ny taona 2017 no nitsangana ny tafika « anti-djihadiste » tao aminy.
