Somalie : Voafidy ho filoham-pirenena indray i Hassan Cheikh Mohamoud
Voafidy hitantana ny firenena indray i Hassan Cheikh Mohamoud dimy taona taty aorian’ny naha filoham-pirenena azy. Marihina fa nizotra tao anaty filaminana tanteraka ny latsa-bato tamin’ny fifidianana na dia firenena iharan’ny fikomiana ataon’ireo « islamiste radicaux shebab» sady anjakan’ny mosary aza i Somalie.Raha tsiahivina dia efa nitondra ny taona 2012 hatramin’ny 2017 i Hassan Cheikh Mohamoud, nandimby azy i Mohamed Abdullahi Mohamed, antsoina hoe Farmajo izay hosoloiny toerana indray. Nilaza kosa io filoha farany teo io fa hanaoy ny firaisan-kinany amin’ity olom-boafidy ity. « Miarahaba ny rahalahiko aho ary mirary soa azy amin’ny adidy foavana miandry azy » hoy ny fanamafisany.
