Cote d’Ivoire : Mahazo ny maro anisa tao amin’ny antenimera mpanao lalàna ny antokon’ny filoha Alassane Ouattara.
Taorian’ny fifidianana mpanao lalàna, ny mpandresy lehibe tsy nampoizina ny antokon’ ny filoha Alassane Ouattara. Nahazo ny maro an’isa tamin’ny seza 137 tamin’ny 254 tao amin’ny Antenimeram-pirenena any an-toerana izy ireo. Toerana maro teo amin’ny fitondrana ihany koa no efa lasan’ity antoko miaraka amin’ny fitondrana ity, RHDP. Mizara seza 91 ireo antoko mpanohitra. Ny fiaraha-miasa teo amin’ny Parti démocratique de Côte d’Ivoire na ny PDCI sy ny mpanohana ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo kosa no nahazo seza 50. Nandresy ihany koa ny RHDP tany Abobo, kaomina lehibe malaza iray hafa any Abidjan, ary naka ny trano mimanda marobe an’ny PDCI, ao anatin’izany ny renivohitra fitantanana Yamoussoukro (afovoany) ary ny toeram-pivarotan-dranomasina any Grand Bassam (atsimo).
