PolitiqueTatitra

Espagne : Nametra-pialana ny filohan’ny faritra tao Madrid ary niantso fifidianana mialohan’ ny fotoana.

Nametra-pialana tamin’ny Alarobia 10 martsa teo ny filoham-paritr’i Madrid, Isabel Díaz Ayuso. Ary niantso fifidianana mialoha, hoy ny filoha lefiny Ignacio Aguado tamin’ny mpanao gazety. Izy izay mpikambana tao amin’ny antoko ankavanana “centre droit Ciudadanos”. Nanomboka ny 17 Aogositra 2019 izy no nanomboka nitantana ny faritr’I Madrid. Ary nitarika ny sampan-draharahan’ny hetsika an-tserasera sy nandray anjara tamin’ny fanentanana isam-paritra sy nasionaly maro. Nananamrika azy ny fipetrahany teo amin’ny tontolo politika, ary tsy fanomezana tsikera rehefa misy ny tsy mety. Nahazo izany tsikera izany manokana ny antoko sosialista teo amin’ny fitondrana. Mbola tsy nilaza mazava ny antony nialany teo amin’ny toerany ity filoham-paritra ity.

Laisser un commentaire