ActualitésTatitra

Seychelles : Atleta 400 isa no handray anjara amin’ny lalaon’ny nosy

Efa manakaiky hatrany ny volana aogositra, hanatontosana ny lalaon’ny nosy aty Madagasikara. Efa miomana tanteraka amin’izany i Seychelles izay nanambara fa atleta 400, misy lehilahy 225 isa sy vehivavy 155 isa no hisolo-tena azy ireo aty an-toerana. Taranja 16 amin’ireo 17 kosa no andraisan’izy ireo anjara raha ny fanazavana. Ny « lutte » no tsy handraisan’izy ireo anjara amin’izany.

Taorian’ny fivoriana farany teto Antananarivo manoloana ny fanomanana kosa dia nilaza i filohan’ny komity iraisam-pirenena momba ny lalao, Antonio Gopal fa mety hitombo roa ny taranja dia ny « voile » sy ny « beach-volley ». Mbola tsy ofisialy nefa izany fanampahan-kevitra izany raha ny fanamafisany.

Marihana kosa ny fanjakana ao Seychelles dia hanampy ara-bola ny fandehanan’ireo olona 575 isa mamondrona ny atleta sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hiazo an’i Madagasikara.

Laisser un commentaire