SocialTatitra

Italie : Tsy fantatra mazava ny daty nahavitana ny hoso-doko « La Joconde »

Sary hoso-doko nataon’i Léonard de Vinci ary anisany malaza indrindra ny “La Joconde » na ny sarin’i Mona Lisa. Ao anatin’ireo manan-tantara indrindra ihany ko aizy hatrany amin’ny famoronana azy. Mampiady hevitra hatramin’ny taona namoronana azy, nilaza ny mpiasa florentin iray, Agostino Vespucci fa tao Florence ity sary ity no nataon’ny mpamorona azy tamin’ny taona 1503 noho ny fahitany antontan-taratasy nanamafy izany. I Giorgio Vasari kosa nanambara fa mbola navelan’i Léonard de Vinci izany tao anatin’ny 4 taona ka tsy mbola vita tao an-toerana.

Ireo manam-pahaizana toy i Carlo Pedretti sy Alessandro Vezzosi kosa nefa nilaza fa tao aorian’ny taona 1513 izany vao vitan’ny mpamorona azy. Mbola hevirina fa hatramin’ny taona 1519 ihany koa nefa ny famitana azy, izay taona nahafatesan’i Léonard de Vinci. Raha ny fantatra dia tsy nisaraka taminy mihitsy ity hoso-doko ity tamin’ny fahavelony. Ao amin’ny tranom-bakoka “Musée du Louvre” ao Paris no misy azy ankehitriny.

Laisser un commentaire