ActualitésTatitra

Canada : Toerana miavaka ny Lake Louise

Farihin-dranomandry ao amin’ny valan-javaboahary nasionalin’ny Banff ao Alberta ny farihy Louise. 5 km any andrefan’ny tanana kelin’ny Lake Louise sy ny lalana « transcanadienne » no misy azy.

Manan-tantara ny toerana manodidina ny farihy. Marihana fa mitondra ny anaran’ny Princesse Louise Caroline Alberta (1848-1939) io farihy io. Zanakin’ny mpanjakavavy Victoria ary vadin’ny « marquis de Lorne » izay govenora jeneralin’i Canada ny taona 1878 hatramin’ny 1883.

Miloko manga madio io ranon’io farihy io. Avy amin’ny « farine de roche » entin’ny ranomandry mitsonika avy amin’ireo vatolampy goavana manodidina ny farihy izany. Hita eo amoron’io farihy io kosa ny « Château Lake Louise » an’ny Fairmont izay voasokajy ho isan’ireo hotely « ferroviaire » lehibe indrindra ao Canada. Tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 no natsangana io trano fandraisam-bahiny raitra dia raitra io raha ny fantatra ary ny « chemin de fer Canadien Pacifique » no nanorina azy.

Laisser un commentaire