CultureTatitra

Allemagne : Marika manambatra ny kalitao, teknolojia ary tolotra ny Audi

Orinasa iray ao Ingolstadt, Allemagne mpamokatra fiara « sportives » ny Audi. Sampan’ny vondrona Volkswagen antsoina hoe VAG (Volkswagen Aktiengesellschaft) izay tompon’ny 99,55 % ny marika izy io. Misy amin’ny firenena 55 eran’izao tontolo izao ny Audi ary misahana ny ankamaroan’ny tsenan’ny fiara manokana izy, indrindra miaraka ny sampany roa (filiales) : Lamborghini sy Audi Sport.

I August Horch no no namorona ny Audi tamin’ny 16 jolay 1909. Efa mpanamboatra fiara natokana ho an’ny fanatanjahantena ny tenany, saingy manoloana ny nosedrain’ny orinasany dia voatery nanambatra izany tamin’ny orinasa Saxons telo izy tany amin’ny taona 1932 tany. Nantsoina hoe Auto Union io fiaraha-miasa io ary naseho tamin’ny alalan’ny boribory efatra mifandray izay fahamantatra ny marika hatramin’izao fotoana.

Nanomboka ny taona 1970, teo ambany fitarihan’i Ferdinand Piëch kosa ny Audi vao tonga amin’io lazany amin’izao fotoana io. 

Laisser un commentaire