France : Tovovavy iray no namono tena noho ny herisetra nahazo azy tany an-tsekoly
Maty namono tena vokatry ny herisetra nahazo azy tany an-tsekoly (harcèlement scolaire) i Lindsay,13 taona monja. Mpianatra tao amin’ny kolejy Backe-Desrousseaux de Vendin-le-Vieil ao Pas-de-Calais ny tenany ary raha ny fanazavana dia mpianatra tao amin’io sekoly io ihany no nanao ny herisetra taminy. Ara-batana sy ara-tsaina izany herisetra nahazo an’i Lindsay izany ary tonga tany amin’ny tambajotra sosialy sy hafatra mihafina.
Nilaza ny renin’i Lindsay, Betty Gervois fa fialonana no antony nankahalan’ireo mpanao herisetra ny zanany. Tovovavy tsara tarehy sy jejojejo mantsy ny zanany raha ny fanamafisany. Nanazava ihany koa ny tenany fa efa indroa nandefa fitarainana tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly izy ireo saingy tsy nahitam-bokany izany.
Manoloana ny tranga kosa dia zatovo tsy ampy taona efatra sy efa ampy taona iray no voasambotra.
