Covid-19 : Hanao andrana fitsaboana amin’ny Artemesia ny OMS
Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny valanaretina Covid-19 izao tontolo izao ankehitriny. Na dia eo aza anefa ny fisian’ ny vaksiny, mbola tsy misy fanafody fanefitra ity aretina ity. Manoloana ny fivoaran’ny valanaretina covid-19 ho variant Delta amin’izao fotoana, mijery lalana hafa hahafahana mitsabo izany amin’ny alalan’ny fanafody miainga amin’ny zava-maniry sy ny fitsaboana nentim-paharazana ny Fikambanana iraisam-pirenena momban’ny Fahasalamana na ny OMS.
Tany ampiandohan’ny andiany voalohany ny coronavirus i Madagasikara no efa nandroso ny tambavy Covid-Organics na CVO izay niainga avy tamin’ny artemesia ho fisorohana sy fitsaboana ny aretina coronavirus ary ny Filoha Andry Rajoelina mihintsy no nitarika ny famohana amin’ny fomba ofisialy izany. Maro amin’ireo olona no mahatsapa fa mahasitrana sy maharo amin’ny valanaretina ity tambavy ity. « Ny ao aminay izao, ny vadiko no voan’ny covid, nampiasa hatrany ny CVO izy dia sitrana, izahay tato an-trano nanaraka ilay fatra fisorohana dia tsy voa », hoy i Hanta, renim-pianakaviana iray. Ao kosa anefa ireo mihevitra fa tsy mahomby ny fampiasana io tambavy io. Raha ampatsiahivina, manam-pahaizana sy mpitsabo ary profesora malagasy maro sy Profesora avy any ivelany no nifandrimbona tamin’ny famokarana ny CVO izay novokarin’ny IMRA ary ny CVO+ novokarin’ny Pharmalagasy.
Tsy resy lahatra tamin’ny fampiasana ity CVO ity ny OMS na ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana dia, rehefa natao anefa ny fanandramana ara-klinika (essai clinique) tamin’ny CVO+ fisorohana dia nahitana porofo ny fahasitranan’ireo marary. Naneho ny heviny ny OMS fa tsy maintsy ho tohizana ny fikarohana momban’ny artemesia. Ny 05 Jolay 2021 no nivoaka ny valin’ny fanandramana ara-klinika ary nanambara izy ireo fa hisy ny torohevitra siantifika ho asehon’iero manam-pahaizana siantifika eo anivon’ny OMS. Iray volana aty aorian’io essai clinique io, dia nanambara ny Tale Jeneralin’ny OMS Dr Tedros Adhanom Ghebreyesus tamin’ny gazety iray any ivelany Nouvelle Tribune nivoaka ny Alakamisy 12 Aogositra 2021 fa na eo aza ireo vaksiny karazany maro dia mitohy hatrany ny fikarohana ny hamokarana fanafody ny OMS ka efa misy ny karazana fitsaboana telo izay eo ampanaovana andrana amin’izao fotoana izao ary tafiditra ao anatin’izany ny Artemesia. Taorian’izany dia nilaza ny eo anivon’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana fa raha toa ka voaporofon’ireo siantifika fa mahomby ny fampiasana ny fanafody nentim-paharazana dia tsy maintsy hiroso amin’ny fanafarana izany any amin’ireo firenena mpanokatra izany ny OMS. Ho marina ihany ve izany ilay voalazan’ilay mpaminany vavy fa i Madagasikara no ahita ny fanefitry ny Covid-19 ?
Sitraka Rajaonarivony
