Fanabeazam-pirenena : Miatrika atrik’asa fampitàna ny toromarika ny CRAN any Amoron’i Mania
Nanomboka ny zoma 13 Aogositra 2021 ny atrikasa ho fampitàna ny toromarika CRAN (Cour de Remise à Niveau) mahakasika ny vola ho an’ny ambaratonga voalohany na ny « atelier de passation de consignes CRAN volet financier niveau primaire ». Miisa 12 ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny biraon’ny Fitaleavamparitry ny Fanabeazam-pirenena Amoron’i Mania no miatrika ity atrikasa ity.
Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa ny talem-paritry ny Fanabeazam-pirennea any an-toerana sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny DENF (Direction de l’Education Non Formelle) ministera foibe kosa no itondra izany atrik’asa fampitàna toromarika izany. Ao aorian’izao atrikasa izao moa dia hitety ireo fari-piadidim-pampianarana misy ao amin’ny fitaleavam-paritra ireo tompon’andraikitra nahazo toromarika ireo ary ny eny anivon’ny fiadidim-pampianarana kosa no hampita izany any amin’ireo sekoly tsirairay avy. Ankotr’izay ihany koa dia efa nahazo ny didim-pitondrana manendry azy ireo ho mpiasam-panjakana na ny « arrêté de nomination » ireo mpampianatra miisa 98 nivoaka avy ao amin’ny ivon-toeram-panofanana ara-pedagojika rezionaly (CRINFP) Ambositra ny alakamisy 12 aogositra 2021 tao amin’ny EPP manarapenitra Alakamisy Ambositra. Nanotrona izany lanona izany ny talen’ny INFP sy ireo manam-pahefana eny an-toerana.
Efa fizarana andiany faharoa ity notontosaina ity fa efa nisy mpampianatra 43 nahazo ny « arrêté de nomination » tamin’ny volana jolay lasa teo. Mbola misy mpampianatra 5 miandry izany fanendrena izany, efa an-dalam-pikarakarana ireo tompon’andraikitra fa ireo izay efa nahazo kosa dia hamonjy avy hatrany ny toeram-piasany eny anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany.
Sitraka Rajaonarivony
