ActualitésTsidika

Zazavavy iray nenjehan’ny andiana tovolahy mpifoka zava-mahadomelina

Ahavitana asa ratsy sy hetsika mamoafady ny fandraisana zava-mahadomelina. Enjehin’ny lalàna ny fivarotana, fanamboarana indrindra ny fandraisana sy ny fifohana azy ireny noho izy miteraka tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena. Zazavavy kely iray hianatra hanala fanadinam-panjakana no nenjehan’ny tovolahy miisa enina be izao ny harivan’ny alakamisy 27 may teo tany Ambohitraivo Antanetibe Mahazaza. Nihevitra ny anadala ity vehivavy kely ity ireto tovolahy ireto no avy hatrany dia nanenjika azy. Tafatsoaka ihany ilay tovovavy kely saingy nitebiteby kosa ireo ray aman-dreny taorian’izay. Tsy fantatra hatreto ny mikasika ireo andian-jatovo izay voalaza fa mpandray zava-mahadomelina ireto. Efa nampafatarin’ny ray aman-drenin’ity zazavavy ity kosa ny zandarimaria any an-toerana mikasika izao tranga izao. Tsy fantatra izay niseho raha tratran’ireto olon-dratsy ilay tovovavy sady ny resaka fanolanana ankizy tsy ampy taona ihany koa amin’izao efa mahazo vahana. Na izany aza anefa, mila fanaraha-maso avy amin’ny ray aman-dreny ihany izay ho alehan’ny ankizy mba hahazahoana antoka fa ho tonga any amin’ny tany nalehany sy ho tafaverina ao an-trano ihany ny zaza. Eo ihany koa anefa ny fandraisan’andraikitry ny manam-pahefana eny ifotony satria natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireny mba handrian’ny fahalemana ka hiadana sy ho finaritra ny vahoaka ambany fiarovany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire