Basket-ball : Hisy ny lalao ara-pirahalahiana izay hataon’ireo Ekipa voafantina avy ao Mayotte eto Madagasikara.
Mandalo eto Madagasikara ireo ekipa voafantina avy ao Mayotte amin’ny taranja Basket Ball ka hisy ny lalao ara-pirahalahiana izay ho ataon’izy ireo amin’ny ekipan’ny COSPN sy ny GNBC. Lalao miisa 4 no ho tanterahan’izy ireo amin’izany miaraka amin’ireo avy ao amin’ny Polisy sy ny Zandary ireo.
« Ity fihaonana ity dia noraisin’ireto ekipa avy atsy Mayotte ireto ho fanomanan-tena amin’ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina izay hotanterahina eto Madagasikara ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra izao », hoy avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Basket Ball.
« Ao amin’ny « oetit palais Mahamasina »no hanaovana ny lalao voalohany izay hiadian’izy ireo amin’ny COSPN ny 9 febroary ho avy izao. Mbola izy ireo hatrany no hanohy ny fihaonana ny 13 febroary izao ary hanohy izany ny GNBC. Hamaranana ny fandalovan’izy ireo dia hisy ny lalao hifanandrian’ireo ekipa voasafidy hikambanan’ny COSPN sy ny GNBC amin’ireto Mahorais ireto », hoy hatrany ny fanazavana.
Manomana sahady ny lalaon’ny Nosy ireto ekipa avy atsy Mayotte ireto na dia mbola amin’ny volana aogositra aza izany. Ho an’ny Malagasy ny fampivondronana dia hatao any amin’ny volana jona any ho any ho an’ity taranja ity. Sao tsara fianatra ny ataon’ireo Mahorais ireto hahafahana manaraka ilay filamatra iray azo ampiharina hoe « izay tsara fiomanana tsy ho tampohan’ny loza ».
Miora Raharisolo
