SportTsidika

Nahazo medaly 6 ny malagasy nandritra ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika amin’ny fibatana fonjam-by

Efa niparitaka sy nalaza tamin’ireo mpilaza sy mpamoaka vaovao maro fa tsy afaka handefa solontena hiatrika ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika amin’ny fibatàna fonjam-by i Madagasikara. Na izany aza anefa, nahita vahaolana ny tompon’andraikitra misahana ity taranja fitaizam-batana ity ka ny marainan’ny alarobia 26 may no nihazo an’i Kenya i Ramiarimanana Jean Ricardo sy Andriantsitohaina Eric. Nody ventiny ny rano nantsakaina ary tsy very maina ny ezaka nataon’ireo solontenan-tsika malagasy, nahazo medaly avokoa izy roalahy ireto. Ho an’ny lehilahy sokajy 55 ky, nahazo medaly volamena 2 sy medaly volafotsy iray i Ramiarimanana Jean Ricardo ary voahosotra ho tompon-dakan’i Afrika amin’ity taranja ity. I Andriantsitohaina Eric kosa nahazo medaly alimo miisa 3 nandritra ny fifanintsanana. Mbola mitohy hatramin’ny 30 may ity fifaninana amin’ny taranja fibatana fonjam-by izay tanterahina ao Nairobi Kenya. Ny taranja toy itony sy ny fantanjahan-tena no antenaina indray ampiakatra avo an’i Madagasikara eto anivon’izao tontolo izao.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire