SocialTsidika

Mbola betsaka ireo mpikirakira zava-mahadomelina

Ratsy ary tena manimba ny ara-tsaina sy ny ara-batana ny fandraisana zava-mahadomelina, ary havitan-doza mihitsy aza izany avy eo. Nanamarina mihitsy aza ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena fa ireo olona tratra manao asa ratsy dia saika mifoka na mitsindrona zava-mahadomelina avokoa. Mitohy hatrany ny fisamborana ireo olona manaparitaka sy maniifa izany, hoy hatrany izy ireo. Tao anatin’ny 4 andro monja izao, rongony milanja 1 kilao sy 100 grama no tra-tehaky ny polisy, ka olona miisa 02 no voasambotra tamin’izany. Ny iray izay vehivavy 54 taona tra-tehaka nivarotra rongony teny Ambohijafy ; ary ny iray hafa kosa dia lehilahy 24 taona tratra tetsy Ampefiloha niaraka tamin’ireo fitaovana samihafa ampiasaina amin’ny fitsindromana « héroïne ». Ny zava-mahadimelina no tena manosika ny mpamono olona sy ny mpandendaka eran’ny tananàna eny, izany idnrindra no hanentanana ny vahoaka tsirairay manana loharanom-baovao mikasika ny famatsiana azy ireo ho sahy hananton any mpitandro filaminana mba hamongorana ny ratsy eto amin’ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire