ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Miantso ny vahoaka hiara-hikorana aminy ny kaominina mandritra ny fetim-pirenena

Manasa ny vahoakan’Ankadikely Ilafy tsy ankanavaka ny kaominina hiara-hilaonana mandritra ny fetin’ny asaramanitra ny 25 sy 26 jona. Hisy ny lanonana sy ny fanentanana isan-karazany, ao koa ny lalao ara-panatanjahantena.

« Ny lalao famaranana ny « Tournoi 26 Jona » sokajy roa no hanomboana ny fotoana. Hifanadrina amin’izany ny « FC Ankadikely » sy ny « FC Tanàna ». Ny sokajy Vétéran, ny « AT Sud » sy ny « OM » kosa no hifandona eo amin’ny sokajy Sénior » hoy ny mpikarakara ny lalao 26 Jona. « Ny lanonana ho fanamarihana ny fetim-pirenena kosa dia hanomboka amin’ny 03 ora folakandro ny 25 jona. Tsy misy vidim-pidirana mandritra io fotoana io. Manasa antsika rehetra ho tonga maro » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Marihina fa eny amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana no hanatanterahana ny hetsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire