ActualitésTsidika

Anjeva Gara : Horaisin’ny kaominina an-tanana ny sakafon’ireo mpiadina CEPE

Ny 21 jona 2022 no hanatanterahana ny fanadinana CEPE 2022 manerana ny nosy. Horaisin’ny kaominina Anjeva Gara an-tanana ny sakafon’ireo mpiadina CEPE rehetra ao amin’ny kaominina.

« Miisa 268 ireo mpiadina fanadinana CEPE eto amin’ny kaominina Anjeva Gara. Hiantohan’ny kaominina avokoa ny sakafon’izy ireo. Na ireo avy amin’ny sekoly miankina na ireo tsy miankina dia voakasik’ity fiahiana ara-tsakafo ity avokoa » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva Gara, Raoeliarison Haja Yves. « Tena finiavana lehibe tokoa izao ataon’ny Kaominina izao. Afaka miatrika tsar any fanadinana am-pilaminana ny ankizy amin’izao hetsika izao » hoy i Lanto, renim-pianakaviana ao Anjeva Gara.

Ireo tokoa no solofo dimby rahatrizay. Rariny loatra raha tohanana araka izay azo atao.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire