ConseilTsidika

Torohevitra: Fikarakarana tarehy amin’ny fomba natoraly

Akaiky izao ny fety, ary raha jerena dia somary lava ny faran’ny herinandro ity. Maro ireo fandaharam-potoana mety ho vonjena, indrindra ho an’ny vehivavy, dia zava-dehibe ny fikarakarana ny tarehy io. Misy fomba natoraly azo atao mba hampamanjamanja mandritra ity faran’ny herinandro ity.

Voalohany, ny fikarakarana ny tarehy. Rehefa ao anatin’ny rotoroton’ny andavan’andro sy ny adin-tsaina iny dia hita eny amin’ny endrika eny ny havizanany ary manimba ny endrika izy io. Aza avela eo izany fa esory amin’ny alalan’ny tain-kafe sy tapotsin’atody atody. Ireo fangaro ireo no ahosotra amin’ny tarehy, avela eo 20minitra vao kobanina amin’ny rano matimaty. Manarina ny tarehy reraka izany.

Faharoa, raha sendra be menaka na feno tasy ny hodi-tava, dia azo atao ihany koa ny manao « gommage » amin’ny siramamy sy voatabia. Potserina ity farany, ary alana ny voany. Io fangaro io no ahosotra amin’ny tarehy ny hariva, tsy atao tratry ny taratry ny masoandro. Avy eo kobanina amin’ny rano matimaty.

Anisan’ny manarina ny hodi-tava ihany koa ny vahona. Ilay dintiny no ahosotra manerana ny tarehy ary avela eo 10minitra dia kobanina avy eo. Tsara raha hosorana maneka mampamandina ny tarehy refa avy nampiasa ny iray amin’ireo torohevitra ireo.

Laisser un commentaire