Ambohimanambola : Tsy mbola nisy fiovana akory ny vidin-drano
Niparitaka ny feo tao Ambohimanambola fa hiakatra ny vidin-drano. Nilaza ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola fa tsy misy ny fiovana amin’ny vidin-drano hatreto.
« Mbola tsy misy ny fiovana amin’ny vidin-drano ho an’ireo mpanjifa rano eto amin’ny sampan-draharaha misahana ny rano eto amin’ny kaominina. Mbola tsy misy fanapahan-kevitra navoaka ho amin’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Ny rano no fototry ny aina. Ny rano indray no vidiana lafo. Hirariana tsy hisy io fiakaran’ny vidin-drano io fa efa sarotra loatra ny fiainana sy ny fivelomana » hoy i Faneva, mponina ao Ambohimanambola.
Marihina fa hisy ny fivoriana ho atao ao ami’nny lycée taloha Ambohimanambola ny 18 jona 2022. Fotoana io handinihana mikasika rano, izay iarahana amin’ny mponina.
Nicole Rafalimananjara
