ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahazo fitaovana ireo mpiadina CEPE

Nirary soa sy nitso-drano ireo mpiadina CEPE ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina. Nisy ihany koa ny fitaovana sy odiambavafo nomena ireo mpianatra miisa 732 manerana ny EPP 16 ao amin’ny kaominina.

« Efa nahazo ny anjarany tamin’ity fizarana sy fanohanana ny EPP sasany eto amin’ny kaominina. Hitohy hatrany ny fitsinjarana izany amin’ny EPP rehetra » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Efa fanaonay isan-taona ny manohana ny ankizy mpanala fanadinana CEPE toy izao. Nizara fanomezana toy ny penina, pensily hazo, fitsipika, gaoma sy fitaovana maro hafa ilain’izy ireo mandritra ny fiatrehana ny fanadinana » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaoanah Rija.

Marihina fa ny 21 jona 2022 no hanatanterahana ny fanadinana ny CEPE. Hirariana ny mba hiatrehan’ireo ankizy ny fanadinana ao anatin’ny filaminana hatrany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire