Martinique : Fanamboarana indray ny sambo « le Toumelin ».
Anisan’ny misarika mpizahatany maro tonga any an-toerana ny sambo « le Toumelin ». Nahitana fahasimbana anefa izany nohon’ny efa faharetany tany an-toerana. Namatsy vola hanamboarana azy ankehitriny ny eo anivon’ny fikambanana ara-bakoka any an-toerana nohon’ny fisian’ny hetsika fizahantany any an-toerana. Tanjona ihany koa ny hanomezana asa ho an’ireo orin’asa any an-toerana sy hanomezana fampihofanana ho an’ny asa-tanana hatao anaty. Vola mitentina hatrany amin’ny 150 000 Euros (685 tapitrisa ariary) no hovatsihan’ity fikambanana ity amin’izany. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny tantara ao Maritinique ity vakoka iray ity. Himasoan’izy ireo amin’izany ny fanarenana tanteraka ny sambo. Hanomboka amin’ity volana febroary ity ny fanarenana izany.
