ActualitésTsidika

Fiakaran’ny vidin-jiro ho an’ireo mampiasa ny tolotra Optima avy ao amin’ny Jirama

Anisany ireo filàna fototr’ireo mponina eto andrenivohitra ny resaka jiro sy rano izay tena nampitaraina azy ireo tato ho ato noho ny fahatapahana matetika sy maharitra. Misy ny tolotra vaovao « confort » sy « super-confort » izay tafiditra ao anatin’ilay Optima amin’ny endriny vaovao. Ny 4 jona teo no nanomboka napetraka ity tolotra vaovao ity ka nanambara ny avy eo anivon’ny Jirama fa ahitana fiakarana ny vidin-jiro ho an’ireo rehetra misitraka ireo tolotra ireo. Ho an’ireo mampiasa ny tolotra teo aloha kosa anefa tsy ahitana fiovana izany. Ity orinasa iray ity izay tsy misy mpifanadrina amin’ny famokarana jiro sy rano mamatsy faritra maro eto Madagasikara. Maro ireo mponina no velon-taraina amin’ny fahatapahan-jiro mila ho isan’andro sady maharitra sy ny tsy fisian’ny rano na misy ihany fa maloto, izao anefa toa miakatra indray ny vidin’izy ireny anefa ny fanjifana aza efa tsizarizary. Sao mba tokony hampifanarahana aùin’ny vola alohan’ireo mponina ny kalitaon’ny jiro sy ny rano sitrahin’izy ireo? Tsy ny eto andrenivohitra ihany manko no miaina ao anatin’izany tsy fahatomombanan’ny jiro sy ny rano izany fa faritra maro eto Madagasikara lasibatra amin’izany.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire