ActualitésTsidika

Fahazoana fitaovana entina hanadiovana ny tanàna teny amin’ny distrika Avaradrano

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana mampirongatra ireo aretina isan-karazany isika izao ankoatra ny coronavirus izay efa manomboka mihalefy. Anisany mampirongatra ny aretina ankoatra ny fiovaovan’ny toetr’andro ny loto miparitaka manerana ny tanàna. Ho fisorohana izay indrindra no nanolorana fitaovana hampiasaina amin’ny fanadiovana ny tanàna teny amin’ny distrika Avaradrano. Fiara vaventy mpitatitra fako no natolotra azy ireo araka ny nambaran’ny solombavam-bahoaka voafidy teny an-toerana Dr. Heriniaina Andriambelo. Fampandrosoana mifototra amin’ny fahadiovan’ny tanàna no tanjona araka ny nambarany hatrany. Ankoatra ny fampandrosoana ihany koa anefa, ezaka iray lehibe hialana amin’ny mety ho fiparitahan’ny aretina hafa azo avy amin’ny fitobian’ny fako ny fisian’izao tetik’asa izao. Ny hetsika toy itony izay tokony ezahina aparitaka manerana ireo faritra rehetra eto andrnivohitra, maro ireo mponina izay efa tena mikaikaika amin’ny fahalotoan’ny tanàna. Na izany aza, andraikitra goavana be ihany koa ny fanajana ireny fitaovana ireny sy ny fampiasana azy arak any tokony ho izy.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire