Ankadikely Ilafy: Nibata fandresena ny ekipan’ny kaominina nandritra ny lalao baolina kitra “Intercommunale” voalohany
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fihodinana voalohany tamin’ny lalao baolina kitra, fifaninanana “intercommunale”, izay hifandonan’ireo ekipa voafantina avy eny amin’ireo kaominina manerana ny distrika Avaradrano. Ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy manokana, tsara ny vokatra satria nibata ny fandresena ireo ekipan’ny CRAI Foot nandritra izany fifandonana voalohany izany.
“Amin’ny Alahady 06 Aogositra 2023 ho avy izao indray ny lalao faharoa ho an’ny ekipa voafantina CRAI Foot ao anatin’ny fifaninana kitra « Intercommunale ». Hifanandrina amin’izy ireo mandritra izany ekipan’ny kaominana Anosy Avaratra” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.
“Anisan’ny hery lehibe ho an’ny ekipa ny fanohanana avy amin’ny tsirairay. Izany ihany koa no hanentanana hatrany ny rehetra mba hiara-hientana, hifanohana satria zava-poana ihany ny ezaka ataon’ireo ekipa raha tsy misy izay fanohanana izay” hoy hatrany ny fanazavana.
Raha tsiahivina, ny alahady teo no nanatontosana ity fifandonana voalohany ity tao amin’ny kianja Rafanodiana Sabotsy Namehana. Fandresena roa no azon’ny ekipan’ny CRAI Foot nandritra izany. Eny Ambohimangakely kosa no atao ny fifaninanana manaraka.
Manitra R.
