Lalaon’ny Nosy: Anatin’ny fikarakarana ireo kianja ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Araka ny fantatra dia eny amin’ny kianjan’Alarobia no ho tanterahina ny fifaninanana hazakazaka mandritra ny lalaon’ny Nosy ny volana Aogositra ho avy izao. Ho fiomanana amin’izany dia nisy ny fanavaozana ny kianja hanaraka ny fenitra takian’ity Lalao ity. Ankehitriny dia efa an-dalam-pahavitana ny stade eny Alarobia izay nasiam-panamboarana tao anaty andro maromaro. “ Misy fenitra tsy maintsy arahina amin’ity Lalaon’ny Nosy ity ka izay ny antony tsy maintsy nikitihantsika ity kianja ity toy izao. Efa mamaraparana ny fanatsarana ny tompo’andraikitra amin’izao fotoana izao.” Hoy ny tompon’andraikitra . “ Amin’ny akapobeny , dia efa vonona amin’ny fandraisana ny lalao i Madagasikara amin’izao andro vitsy mialoha ny higadoanan’ny fanombohan’ny Lalao izao. Efa fotoana lava ihany koa no nanomanana izao ka azo lazaina fa tsy hitsanga-menatra isika Malagasy amin’ny fandraisana ireo vahiny rehetra tonga hiatrika sy hanatrika izany lalao izany.” Hoy ny solontenan’ny mpikarakara eto Madagasikara. Araka ny tantara dia nanomboka ny taona 1979 no nanomboka ny andiany voalohany tamin’ity Lalaon’ny Nosy ity. Ny fandraisana ny lalao dia ifandimbiasan’ireo Nosy eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana. Ho an’i Madagasikara dia fanintelony amin’ity taona ity izy no handray ny Lalon’ny Nosy : ny taona 1990 isika no nandray ny Lalaon’ny Nosy voalohany, taorian’izay ny taona 2007 ary izao taona 2023 izao indray.
Miranto Andrih
