Nahazo fitaovana ny Kaominina Ivato
Voasokajy ao anatin’ny firenena maloto indrindra isika eto Madagasikara. Efa betsaka anefa ny fanentanana sy ny hetsika fanadiovana ataon’ny olom-pirenena izay tarihan’ny fanjakana toy ny asa tagnamaro karakarain’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolntsaina, eo ihany koa ny fanentanana sy ny asa ataon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny maro hafa. Nanampy tosika ny hisian’ny fahadiovana ao amin’ny Kaominina Ivato ihany koa ny filoham-pirenena ka nanolotra fiarabe 7 sy toerana fanangonana fako 7 ho azy ireo. Tsy midika ho tsy fifanampiana akory ny fahasamihafan’ny loo politika hoy ny Ben’ny tanàn’Ivato, Randrianarisoa Penjy. Tsy atao sakana tokoa amin’ny fampandrosoana mihitsy izany fa natao indrindra aza hifanantonana mba hisian’ny fifampizarana.
Nicole Rafalimananjara
