Mamporisika amin’ny fanaovam-baksiny ny Minisitry ny fahasalamana teo aloha
Tsy voatery hiaro antsika 100% amin’ny aretina ny fanaovam-baksiny mba farafaharatsiny miaro amin’ny fahafatesana fotsiny ihany ka ilaina ny hanaovana azy. Mpiasan’ny fahasalamana miisa 100 no namoy ny ainy tamin’izao areti-mandoza izao hoy ny Minisitry ny fahasalamana teo aloha Rakotomalala Harinirina Yoël, sady mpikambana ao amin’ny l’Académie nationale de médecine de Madagascar (Anamem). Ary manoloana io isa io indrindra no nanentanan’ity Ministra teo aloha ity ny mba hanaovam-baksiny fanefitry ny aretina sy mba hiarovan-tena. Ary nanamafy hatrany izy far aha tsy tratra ny isa ambony ho an’ireo olona nahavit vaksiny dia mazava ny lalana hidirana ao amin’ny andiany fahatelo amin’ny aretina Covid-19 ay mbola ho loza noho ilay faharoa io fahatelo io raha tsy mitandrina isika. Ny AstraZneca sy ny Pfizer/Biontech hoy hatrany izy dia mandaitra kokoa hiarovana amin’ny variant Afrika Atsimo. Efa nisokatra ho an’ny daholobe nanomboka ny sabotsy lasa teo rahateo ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara. Hita ho betsaka ihany koa anefa no liana satria nahitana filaharana ny fanaovana izany tamin’ny toerana maro.
Nicole Rafalimananjara
