ActualitésTsidika

Alasora : Notolorana kiraro rangers ireo polisy ao an-toerana

Nisy ny fanolorana fanomezana ho an’ireo polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Alasora, ny faran’ny herinandro teo. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpandraharaha iray ao an-toerana sy ny kaomisarian’ny polisy no nampisy izany, araka ny voalaza.

« Ho fanamafisana hatrany ireo fiaraha-miasa misy eo amin’ireo mpandraharaha sy ny Kaomisaria de Polisy Alasora dia nanolotra rangers ireo polisy miasa eo anivon’ny CSP Alasora ny société EMYRS izay eo Ankadidratombo ka nozarain’ny lehiben’ny kaomisaria Polisy Alasora izany tamin’ity anio ity » hoy ireo tomponandraikitra.

« Tena ilain’ny polisy ny fanohanana tahaka izao. Anisan’ny mamporisika azy ireo hanatanteraka ny asa tsara izany no manome endrika tsara azy ireo eo amin’ny sehatra misy azy ka mba ho fitaratra ho an’ny hafa » hoy i Lanto, renim-pianakaviana.

Nahazo anjara tamin’izany fanomezana izany avokoa moa ny na polisy lehilahy na ny polisy vehivavy tao an-toerana.

Laisser un commentaire