Etats-Unis : Inona moa ny « hippie » ?
Vondron’olona mpanohitra ny kolontsaina nipoitra tao Etats-Unis tany amin’ny taona 60 ary niparitaka tao amin’ny tontolon’ny tandrefana ny hippie. Ny ankahamaroan’ireo dia tanora avy tamin’ny « baby boom » na fiakaran’ny taham-piterahana taorian’ny ady lehibe faharoa. Nandà ny soatoavina nentim-paharazana, ny fomba fiainan’ny ray aman-dreniny sy ny fiaraha-monina io vondrona io.
Tao San Francisco, toerana nisian’ny « Summer of Love » no ivon-toeran’ny hetsim-panoherana nataon’izy tamin’ny taona 1967. Misokatra ho an’ny kolontsaina hafa, ny fahalalahana, ny fikarohana fomba fijery sy ny toetry ny fahatsiarovan-tena vaovao ny hippie ka nirona tamin’ny fanehoana ara-javakanto « psychédélisme ».
Nihalefy ny vondrona hippie rehefa nandeha ny fotoana. Mbola misy nefa izy ireo ary nametraka zava-baovao maro teo amin’ny ara-kolontsaina indrindra eo amin’ny sehatry ny mozika.
