Russie : Mpilalao « jeu d’échec » manana ny lazany i Garry Kasparov
Teraka ny 13 aprily 1963 tao Bakou, Azerbaïdjan i Garry Kasparov.Mpilalao « jeu d’échecs » avy ao URSS sy Russie izy ary teratany armenianina sy jiosy. Rehefa nanao sesin-tany izy tany amin’ny taona 2013 dia nahazo ny zom-pirenen’i Croatie nanomboka ny taona 2014. Monina ao New York kosa ny tenany amin’izao fotoana.
Voasokajy ho isan’ireo mpilalao « jeu d’échecs » sangany eo amin’izany taranja izany i Garry Kasparov. Tompondaka eran-tanin’ny « jeu d’échecs » faha-13 izy nanomboka ny taona 1985 ka hatramin’ny 2000 ary nandresy fifaninana maro. Mpilalao voalohany nihoatra ny « 2 800 points Elo » izy tamin’ny volana janoary 1990. Ny taona 1999 ksoa dia nahatratra ny filaharan’ny « Elo » ambony indrindra izy tamin’ny isa 2 851. 14 taona taty aoriana vao nihoaran’i Magnus Carlsen izany isa izany tamin’ny taona 2013.
Noraiketin’i Garry Kasparov an-tsoratra ny lalana nodiaviny tamin’ny taranja « jeu d’échecs ». Nanoratra boky andiany telo momba « jeu d’échec » izy : My Great Predecessors (2003-2006), Garry Kasparov on Modern Chess (2007-2010) ary Garry Kasparov on Garry Kasparov (2011-2014).
