ActualitésTatitra

Espagne : Sakafo mampiavaka ny firenena ny paella

Sakafo nentin-drazana mampiavaka an’i Espagne ny paella. Karazana vary boribory antsoina hoe « arroz bomba » no akora fototra ampiasiana amin’izany. Ny faritr’i Valence no tena nihavian’io sakafo io, tao an-toerana no niforonan’ny anarany hoe midika hoe « lapoaly ». Io fitaovan-dakozia io mantsy no hikarakarana ny paella.

Anisan’ny ahafantarana an’i Espagne ny Paella ary niparitaka teo amin’ny sehatra iraisam-pirnena ny lazany. Maro ny akora ampisaina amin’ny fikarakarana ny paella. Vary boribory no tena tsara ampiasaina aminy, miraikitra mantsy ny vary avy ao Asie sy ny risottos, mila ihany koa akoho, langoustine na gambas, moules, angisy (encornet), poivron mena sy maitso, makamba, voatabia, tongolo gasy, sakay, petits pois, bouquet garni (fitambarana thym, laurier, persil), menaka oliva, safran, « rizdor » na « spigol » hanomezana loko ny vary, ron’ankoho, jirofo, tongolo ary sira sy dipoavatra.

Laisser un commentaire