Dépêches

Raharaha Ikongo : Nandeha tany an-toerana ny Praiministra Malagasy

31 Aogositra, 16h00, Nandeha tany Ikongo ny praiministra lehiben’ny governemanta Malagasy, Ntsay Christian, nitarika ireo delegasiona avy amin’ny ministera isan’ambaratongany avy omaly 30 aogositra. Nihaona tamin’ireo fianakaviana mana-manjo sy ireo olona naratra tamin’ny fifandonana ny tenany, ka naneho ny fiaraha-miory sy nampahery ireo izay mbola manaraka fitsaboana, ary izany dia niarahany tamin’ireo tompon’andraiki-paritra notarihin’ny Governoran’ny Faritra Fitovinany sy ny Ampanjaka ary ny Olo-be any an-toerana. Nisy ihany koa ny fanaovana fampihavanana hamerenana ny fitoniana nandritra izany.

Laisser un commentaire