Bebe Marie Marguerite : Natolotra azy ny titra maha tompon’ny tany azy
Dépêche 28 mars, 11h, Raha tsiahiviona dia nisy ny fibodoan’ny olona ny tanin’ity Bebe Marie Marguerite avy eny Ambohipo ity. Niakatra fitsarana ny raharaha izay rtsy nahitam-bokany hatrany satria voalaza fa nisy olna any boky tao amin’ny fananan-tany. Toarian’ny fiakaran’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany vaovao teo amin’ny fitondrana dia nanome toky izy fa hanampy an’i Bebe Marie ka izao nahitana vokany izao izany. Tonga teny an-trnon’ity farany teny Ambohipo ny minisitra nanatitrta ny titra maha tompon’ny tany azy. Voalaza moa fa mbola maro ireo olana amin’ny resaka tany tsy maintsy hovahaina hoy ny Minisitra.
