Actualités

Ambohimanambola: Hiara-hientana amin’ny fanamboarana ny « Cerceau » sy « tableau de basket » ireo tanora

Manoloana ny fahasimban’ny tableau sy ny cerceau ao amin’ny filalaovana basket-ball ao Ambohimanambola, dia nisy ny fiaraha-mientana notarihin’ireo tanora mpitia sy mpilalao ity taranja ity ao an-toerana. Ireo tanora ireo araka izany no hitondra anjara biriky avy amin’ny fanamboarana izany, araka ny voalaza

 » Maro be ireo mimenomenona, mangataka ny fandraisana fepetra amin’ny tokony hanamboarana ny cerceau sy ny tableau izay efa simba tanteraka kanefa tsy mbola nisy fanamboarana izany hatramin’izao. Ka izay no nahatonga ny hevitra hanao fitadiavam-bola enti-manarina izany fahasimbana izany » hoy i Miary, mpitia sy mpilalao basket-ball.

 » Zava-dehibe izao fiaraha-mientan’ny tanora izao, indrindra ny fahatsapa-tena amin’ny fandraisana andraikitra fa tsy miandry ireo tomponandraikitra hatrany na dia zavatra hananana fahefana aza ny fanatontosana azy, ho an’ny tombotsoa iombonana » hoy i Narindra, mponina ao Ambohimanambola.

Ho an’ny ezaka iombonana ary fanatanterahana ny asa avy hatrany, izay moa no tanjon’ireo tanora amin’izao fandraisana andraikitra izao. Ao anatin’izany hetsika fitadiavam-bola izany moa dia misy ny lalao, misy ihany koa ny fametrahana vata handrotsahana izay foy ary ny famarotana ireo kojakoja isan-karazany.

Manitra R.

Laisser un commentaire