Etats-Unis : Robert Pershing Wadlow, lehilahy lehibe indrindra teo amin’ny tantara
Teraka ny 22 febroary 1918 tao Alton, Illinois i Robert Pershing Wadlow. Nitovy tamin’ny zaza rehetra izy fony vao teraka saingy nanomboka nitombo haingana noho ny zaza rehetra niaraka taminy. 88 santimetatra ny tenany teo amin’ny faha enim-bolana ary nahatratra 1,30m teo amin’ny faha heritaona sy tapany, 1,64m kosa izy teo amin’ny faha dimy taonany kanefa mbola tany amin’ny kilasy voalohany. Nirefy 2,18m i Robert Pershing Wadlow teo amin’ny faha 13 taonany 2,72m ny refiny teo amin’ny faha 22 taonany izay taona nahafatesany.
Nisy ny orinasa manokana nanaiky ny nanamboatra kiraro ho an’i Robert Pershing Wadlow fotsiny nanomboka ny taona 1938. Nahatratra hatramin’ny 71 mantsy ny haben’ny kirarony (pointure). Dokam-barotra no takalon’io asa io ka lasa nitety tanàna nihoatra ny 800 tao Etats-Unis ity lehilahy goavana ity.
