Nitokona indray ny mpiasan’ny oniversite Mahajanga
Raha tsiahivina dia fitakiana karama sy « indemnités de technicité » no anton’ny fitokonana nataon’ireto mpiasan’ny oniversite Mahajanga ireto ny volana jona teo. Efa nitondra fanazavana mahakasika ny olana kosa nefa ny Pr Elia Béatrice Assoumacou avy ao amin’ny ministera ny fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa ny vola ambony teo fa nisy olana teo amin’ny mpandraharahan’ny oniversite. « Efa manao ny ezaka rehetra ny hamahana izany izahay » hoy izy.
Mbola tsy tonga eo am-pelatanan’ireto mpiasa ireto nefa izany mandrak’ity ny androany. « Tsy mbola nivaha ny olonay, tsy mbola nisy valiny » hoy izy solo-tenan’izy ireo, « manetsika ny tompon’andraikitra indray izahay ». Eny amin’ny Bâtiment Kakal Mahajanga Be no fitokonan’izy ireo raha ny mahazatra fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia notanterahiny teny amin’ny « Campus universitaire » izany noho ny fisian’ny mpanao fanadinana BEPC. Aiza tokoa izany ny fampanatenana nomena ireo mpiasa ireto ?
Hasina Rasamimanana
