ActualitésTsidika

Ady tany sy lova ny 70% amin’ny raharaha 7 000 eny amin’ny fitsarana

Mampivondrona ny fitsarana maro (fitsarana mandrava, ny filankevi-panjakana ary ny fitsarana momba ny kaonty) ny fitsarana tampony. Mbola maharitra nefa ny fanamoahana didiy amin’ny fitsarana tampony noho ny tsy fahampian’ny mpitsara. « Miisa enina ny mpitsara misahan ny raharaha rehetra manerana ny nosy » hoy Rajaona Andriamanampiandrianana, filoha voalohany ao amin’ny fitsarana tampony. Nanamafy izy fa misy olana ny fifandraisana ateraky ny dingana samihafa tsy maintsy arahina.

Raha ny antontan’isa azo dia 70% amin’ny raharaha 7 000 no misahana ny ady tany sy lova. Ny 15% kosa mahakasika ny raharaha ara-barotra na fifandraisan’ny orinasa, ary ny 15% ambiny kosa no ho amin’ireo raharaha samihafa.

« Ilay sarany aloa ao aorian’ny raharaha izao no tsy zakanay mampaela ny raharaha anay » hoy rehefa noahadiadiana. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra teo amin’ny fitsarana dia tsy azon’ny olona entina mivantana ny antontan-taratasy momba ny raharahany fa ny mpiraki-draharaha ao an-toerana no misahana azy. « Araka ny fahatongavan’ny antontan-taratasy ihany nefa no maha aingana na tsia ny voka-pitsarana » hoy izy hatrany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire