ActualitésTatitra

Japon : Namoy ny ainy ilay mafana fo tamin’ny « dénucléarisation » ny tananan’i Hiroshima

Olo-malaza ao Japon i Sunao Tsubo. Anisan’ireo mafana fo tafavoaka velona tamin’ny « dénucléarisation de Hiroshima » tamin’ny taona 1945 izy. Namoy ny ainy teo amin’ny faha 96 taonany izy raha ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitry ny fikambanan’ireo niaram-boin’ny baomba A nisy azy. Tsy fahampin-drà no nitarika ny fahafatesany raha ny fanazavana.Tamin’ny 6 aogositra 1945 no nalefan’I Etats-Unis io baomba nandripaka ny tànanan’i Hiroshima io. 20 taona monja izy tamin’izany izany ary feno ny ny vatany raha ny fitantarany fony izy velona. Nahafaty olona 140 000 tao Hiroshima io baomba io tamin’ny taona 1945.

Laisser un commentaire