Brésil : Tsy terena intsony ny fanaovana arovava ao Rio de Janeiro
Nanomboka omaly ny fanatsaharana ny fanaovana arovava ao Rio de Janeiro. Antony ny fandrosoan’ny fanaovam-baksiny sy ny fihenan’ny tahan’ny mitondra ny tsimok’aretina. « Herin-taona sy tapany no niaina tao anaty valan’aretina » hoy ny governora Claudio Castro ka fandresena lehibe io fanapahan-kevitra io. Efa misokatra ihany koa ny alim-pandihizana sy ny toerana fanatanterahana fampisehoana ao an-toerana saingy mbola voafetra eo amin’ny 50% ny mpanatrika. Hampihatra ireo fepetra ireo ihany koa i Brasilia manomboka ny 3 novambra izao.
