Fanatanjahantena : Miverina afaka miatrika ny lalao iraisam-pirenena indray ny Malagasy pikatroka karate
Afaka miverina mandray anjara amin’ireo lalao iraisampirenena rehetra indray ny mpanao karate Malagasy. Naato tamin’izany lalao izany ireto farany ireto ny volana desmabra 2022 noho ny fikorontanan’ny fitondrana teo anivon’ny Federasiona. Araka izany dia nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Union Africaine izy ireo amin’izao fotoana izao ka ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fahafahana mandray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy izay hatao eto Madagasikara.
« Foana tanteraka ny fampiatoana ity taranja ity tsy handray anjara amin’ny lalao. Niasa mafy izahay mandra-pahazoanay ny fankasitrahana. Ho laharam-pahamehana ho anay ato amin’ny Federasiona ny fanofanana ny ekipam-pirenena izay efa nanomboka tamin’ny taon-dasa ho amin’ireo lalao hiadiana ny tompondaka teo amin’ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny fivoahana iraisam-pirenena sy ny lalaon’ny Nosy eto an-toerana », hoy i Emile Ratefinanahary, filoha vaovaon’ny Federasiona.
Ankoatra izany dia mbola vaovao tsara ihany no miaraka amin’izany satria dia nahazo ny mari-pankasitrahana sy ny fahazoana manatanteraka ny asa ho an’ny taona 2023 hatramin’ny 2026 i Emile Ratefinanahary. Izany rehetra izany dia midika fa efa ara-dalàna ireo mpikamban vaovao ao anatin’ny Federasiona. Efa misy ihany koa ireo fanasana azon’ity federasiona ity amin’ireo lalao isan-karazany.
« Midika ny fahatomombanan’ny Federasiona izany rehetra izany. Efa nahazo ny fanasana avy amin’ny kaontinantaly ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrique sahady isika amin’izao fotoana izao. Ny 10 ka hatramin’ny 19 aogositra izao no hotanterahina any Casablanca (Maroc) ity lalao kaontinantaly ity », hoy hatrany ny fanazavana.
Miverina amin’ny heriny indray araka izany ny mpilalao Karate eto Madagasikara. Efa tokony hiomana mafy ihany koa indirndr amin’ny lalaon’ny Nosy izay hotanterahina eto Madagasikara.
Miora Raharisolo
