ActualitésTsidika

Ankazobe : Misoko mangina ny vaky fasana

Nisehoana vaky fasana tao Ankazobe ny faran’ny herinandro lasa iny. Lasan’ireo jiolahy avokoa ny razana rehetra tao amin’ireo fasana miisa roa tao an-toerana. Ankoatra ny halatr’omby izay miseho any amin’ireo kaominina ambanivohitra, misoko mangina ihany koa ankehitriny ny vaky fasana.

« Ny mahatonga ny loza tahaka izao dia ny tsy fahatahoran’ireo olon-dratsy ny lalàna sy ny sazy mety hiandry azy aorian’ny fitsarana. Tsy matahotra ireo mpanao ratsy hany ka mihanaka ny asa ratsy na aiza na aiza eto madagasikara » hoy Rafidy, mpandinika fiaraha-monina.

« Mendrika ny mpanao ratsy, indrindra ny mpanolana, mpamono olona, ny mpamaky fasana dia ny sazy enjana sady mihatra avy hatrany. Tsy mahatsapa ny hararin’ny zavatra ataony mihitsy ny mpanao ratsy raha tsy averina aminy ireo zavatra nataony » hoy i Annie, mpianatra momba ny fiaraha-monina.

Ny fametrahana ireo mpitandro filaminana eny anivon’ny fiaraha-monina hiaro ny vahoaka eny ifotony no vahaolana manoloana izao. Tsy mandry fahalemana ny tany ka tokony hifanampy mandrakariva ny mponina. Efa misokatra moa ny fanadihadihana mahakasika ity tranga ity.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire