Etats-Unis : I Pat Morita no tena nampalaza ny « The Karate Kid »
Samy mahafantatra an’i « Miyagi San » daholo ny mpankafy haiady. Teratany Japonais i Noriyuki « Pat » Morita saingy teraka tao Isleton, Californie tamin’ny 28 jona 1932. Maty tao Las Vegas ny 24 novambra 2005 kosa izy. Mpilalao sarimihetsika i Pat Morita. Anisany horonantsary tena nampalaza azy ny « The Karate Kid » izay nilalaovany ny toeran’ny mpampianatra karaté nantsoina hoe « Monsieur Miyagi ».
Nifaninana tamin’ny Oscar tamin’ny taona 1984 ny filalaovany io anjara toerana io. Marihina fa io horonantsary io no navaozina niaraka tamin’i Jackie Chan sy Jaden Smith taty aoriana. Efa hita taminny horonantsary maro hafa kosa i Pat Morita, anisan’izany ny L’Incroyable Hulk, La croisière s’amuse, Magnum, Alerte à Malibu, L’Homme de l’Atlantide…
Tsy nianatra, ary tsy nikatroka haiady i Pat Morita, talohan’ny nidira teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Niasa nanao teknisianina « aéronautique » izy talohan’izany.
