Fandaminana ara-pahasalamana ao Toamasina
Nametraka lamina mahakasika ny fivezivezena ny kaominina renivohitr’i Toamasina. “Ho fanatsaràna ny fomba fiasa sy ho fandaminana ny ato anatiny izany” araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Misy ny lamina vaovao napetraka ho an’izay miditra ato amin’ny kaominana ambony vohitra Toamasina hoy hatrany izy.
Voatokona ny varavarana idiran’ny mpiasa, tsy maintsy mitondra karatra famantarana na badge ny mpiasa. Eo amin’ny « entrée principale » ny fidirana ho an’ireo manana anton-draharaha na « rendez-vous”, manantona eo amin’ny fandraisana na « Acceuil » ireo olona ireo araka ny fanazavana. Mitondra karam-panondro avokoa izay rehetra miditra ao an-toerana araka ny fanamafisany ary notsindriny mafy ny fametahana arovava araka ny tokony ho izy.
Hasina Rasamimanana
