Mpanamory 31 no hifaninana ao Vakinankaratra
Vakinankaratra indray no hampiantrano ny dingana faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny familiana fiarakodia na “rallye”. Hotontosaina ny sabotsy 17 sy ny alahady 18 jolay izao izany fifaninana rallye any Vakinankaratra izany. Mahatratra 235,58km ny halavan’ny lalàna amin’ity dingana faharoa hiadiana ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja familiana fiarakodia ity, miampy dingana manokana “ES 14” mirefy 120km.
Mpifaninana 31 no hifanandrina amin’izany. Anisany handray anjara amin’izay ireo mpanamory efa fantatry ny maro avy ao amin’ny TFM, I Mika sy i Faniry. Hiady ho lohany amin’izany ihany koa I Boom sy Mathieu na Zaza maditra avy amin’ny Asacm.
Hasina Rasamimanana
