Masindray : Tantsaha maherin’ny 300 isa no nahazo zezika biolojika sy zezika NPK
Nisy ny fizarana tosika avy amin’ny tetikasan’ny fitondram-panjakana, ka nahazoan’ireo tantsaha zezika biolojika sy ny NPK ary masomboly voafantina, tao amin’ny kaominina Masindray. Tantsaha maherin’ny 300 avy amin’ny fokontany telo tao an-toerana no nisitraka izany, araka ny voalaza.
« Azo lazaina fa tantsaha ny ankamaroan’ny mponina eto an-toerana ary mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana avokoa. Izany indray no nahatonga ny tomponandraikitra nanao ady sisika mba ahafahan’ny tantsaha eto an-toeran misitraka ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana, fa indrindra ihany koa ahafahana manatsara ny voka-pambolena eto an-toerana » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Hetsika tsy tokony atao ambanin-javatra ny fanampiana sy ny fanohanana ny tantsaha tahaka izao. Raha tiana hisy ny fampandrosoana eny ifotony dia mila atao laharam-pahamehana hatrany ny fijerena sy ny fanohanana ireo tantsaha, indrindra mamaly ireo filàny ho fanatsarana ny seha-pivelomany » hoy i Ranto, mponina ao Masindray.
Maro ireo seha-pihariana mila fanohanana ao amin’ny tantsaha, ao anatin’izany ihany koa ny tanora, ao amin’ity kaominina ity. Mbola mangataka ny hanohanana sy ny hijerena izany manokana moa ny mponina.
