ActualitésTsidika

Alasora: Nanampy ireo mponina amin’ny andrimasom-pokonolona ny mpitandro filaminana

Mitohy hatrany ny hetsika fampandriana fahalemana ny tanàna ao amin’ny kaominina Alasora. Miara-misalahy avokoa ireo mponina sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana ao anatin’izany.

“Midina ifotony manampy ireo andrimasom-pokonolona ireo mpitandron’ny filaminana. Misy ireo fepetra norasaina ahafahana mandamina sy mampirindra ny fanatanterahana izany kila mitondra ny karatra manga isika mponina eto amin’ny Kaominina Alasora, izay mody alina manomboka izao, ny fokontany no manome io karatra manga io” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Efa ela no niandrasana izao hetsika izao. Mafana dia mafana ny resaka tsy fandriam-pahalemana eto Alasora, ka ny angatahana mba hitohy hatrany isan’alina isan’alina izany. Ary mba hizara sy hirotsaka hatreny amin’ny fokontany rehetra ireo mpitandro filaminana satria misy fokontany tsy mandry fahalemana kanefa adino amin’ny hetsika tahaka izao” hoy I Rolland, mponina ao Alasora.

Ao anatin’izany hetsika fitandroana ny filaminana izao moa dia mikatona amin’ny 9 Ora alina avokoa ny toeram-pisotroana rehetra. Ireo tsy maintsy mandeha amin’ny alina kosa dia mitondra ny karatra manga, izay alaina eny amin’ny fokontany.

Laisser un commentaire