SocialTatitra

Maurice : Tsy nahitana trangana choléra ireo mpandeha tamin’ny sambo lehibe Norwegian Dawn

Nohesorin’ny ministera misahana ny fahasalamana maorisianina, ny alatsinainy teo, ny didy manambara ny fihibohon’ny sambo lehibe Norwegian Dawn. Raha tsiahivina, tokony hijanonana tao amin’ny nosy La Réunion ity sambo ity mialohan’ny nandehanany tao Maurice, saingy noraran’ny prefektiora izany fiantsonany izany, vokatry ny fisian’ny valan’aretina choléra amin’izao fotoana. Avy ao Madagasikara ity sambo ity ary efa nisy ny fizahana sy ny fitiliana natao tamin’ireto mpandeha rehetra tao anatiny, tao amin’ny renivohitr’i Maurice, Port-Louis. Nanamafy ny mpitsabo niandraikitra izany fa tsy nisy olana ara-pahasalamana ireo mpandeha tao anatin’izany. Olana teo amin’ny tsy fahazakana sakafo, ka niteraka aretim-bavony kosa no voamarian’ity mpitsabo ity hatrany. Mpandeha miisa 2186 moa no nentin’ity sambo ity.

Laisser un commentaire