SocialTatitra

Australie : Hitan’ilay polisy voarohiroy ho namano azy ny vatan’ilay mpanolotra fandaharana sy ny sakaizany

Hitan’ilay polisy Aostraliana no sady mpanoratra blaogy teo aloha, ny fatin’ilay mpanolotra fandaharana amin’ny fahitalavitra iray sy ny sakaizany, izay mpiasa amin’ny sidina an’habakabaka, tao amin’ny faritra ambanivohitr’i Sydney, ny talata teo. Ity polisy ity izay voampanga ho tomponantoka tamin’ny famonoana ireto farany, raha ny voalaza. Nanana fifandraisana tamin’ity mpanolotra fandaharana ity, ilay polisy ka nahatonga ny fiampangana azy. Anisan’ny niteraka resa-be manerana an’i Australie ity tranga ity. Ireo polisy tao an-toerana dia nihevitra fa nisy namono tao amin’ny trano iray, tao afovoan’i Sydney ireto lehilahy rao ireto, mialohan’ny nitondrana ny vatan’izy ireo tao anaty harona ary nentina nakany amin’ny toerana ambanivohitra, lalana atao adin’ny roa ora miala ny tanàna. Saingy ny nisy ny fitiliana ireo bala nampiasaina namoana azy ireo ka hita tamin’izany fa nitovy tamin’ny nampiasain’ny polisy ireo nitifirana azy. Nilaza araka izany ny polisy tao an-toerana fa vono olona tsotra no natao ireto olona ireto fa tsy « crime homophobe »

Laisser un commentaire