Seychelles : Mizotra amin’ny lalana marina ny nosy manoloana ny fiarovana ny tontolo iainana
Raha tsiahivina dia nanome toky ny hiaro feno ny ala honko sy ny ahi-dranomasina i Seychelles amin’ny taona 2023 izao. 50% n’izany ihany nefa no tanjona napetrak’izy ireo ho an’ny taona 2025 talohan’ny COP27 tao Egypte.
Nilaza ny filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan fa tapa-kevitra hiroso amin’io fanamby vaovao io izy ireo ary hanomboka izany amin’ny fiandohan’ny taona 2023. Ankoatran’ny fiaraovana ny ranomasina dia nametraka ihany koa i Seychelles fa ho raràna ny fampiasana plastika tsy azo ampiasaina mihoatran’ny indray mandeha ary hoamafisina ny fepetra mifehy ny jono indostrialy.
Entina hanamafisana izany rehefa izany fa mpiara-miasa matotra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana i Seychelles ary mizotra amin’ny lalana marina hoy ny filoha Wavel Ramkalawan.
